Namana/Amis/Friends

mardi 21 juin 2016

O! Ry Fireneko (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!






Tonony sy Feony: NDRATOSON Georges Benjamin
Arrangement: RAKOTOARIMALALA Maminirina RajaonaRIVOny

O ! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia variana ô)
O ! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia sondriana ô)
Misy feo manaitra (anao ankehitriny)
Misy feo mitady (anao ry mpivahiny)
ô ô ô, ô ô ô, ô ô ô ry fireneko (ô ô ô)

O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia variana ô)
O ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia sondriana ô)
Feon’Ilay Nahary namolavola sy Mpamonjy mora

(O, ry fireneko, O, ry fireneko)
 Aza dia ianao no, Aza dia ianao no
 Koa aza dia ianao no tsy hanoina
 Ny antson’ny Tompo (x3)

("O! mandrosoa ianao")"O! mandrosoa" (x2),
Hoy ny Tompo"Fa Izaho ihany (x2)
No homba anao hatrany"

O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Mijanona kely)
O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Jesoa no miteny ô) 
Feo manainga indray (hanorim-panekena)
Amin’Ilay Jesosy (lalam-pamonjena)
ô ô ô, ô ô ô, ô ô ô ry fireneko, (ô ô ô )

O ry fireneko,Misy feo miantso ô ô ô (Asa sitrakao)
O ry fireneko, Misy feo miantso ô ô ô (Moa ankafizinao)
Feon’Ilay JESOSY kapiteny soa no hery mampifoha

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...