Namana/Amis/Friends

mercredi 30 avril 2014

Mpivahiny (AMAF)


Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetra izao
Ka ho lo sy ho levona,
Ho lavenona sy zary vovoka

1. Eny Ray ô, fantatray tokoa
 Fantatray zahay fa mpivahiny ety
Mielina toy ny rivotra ny andronay ety
Ka ho aiza moa izahay

Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetra izao
Ka ho lo sy ho levona,
Ho lavenona sy zary vovoka

2. Raha hiala ety, moa ho any Aminao?
Sa ho sanatria ho very izany izaho?
Ka rahatrizay, dia ho avy Ianao
Mba hitsara anay.  Ho aiza moa izahay ?

Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetra izao
Ka ho lo sy ho levona,
Ho lavenona sy zary vovoka

 3. Mba satriko e, eo anilanao
 No anjarako raha toa ka hiala ety
 Mino aho Ray ô f’efa afakao
Izany otako .... Ilaozako ny ety...

Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetra izao
Ka ho lo sy ho levona,
Ho lavenona sy zary vovoka

Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetra izao ...

1 commentaire:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...