Namana/Amis/Friends

mercredi 30 avril 2014

Indray andro any (Lalao)

Cliquer ici pour écouter la version audio de ce morceau
Indray andro any iriako indrindra Jesoa
Ho isan'ireo raisinao
Ary amin'izay, hitsangana avy amin'ny vovoka
Ny anjely no hampiarina ahy
Ary handray ny tanako

Ny masoko hahita Anao Jesoa
Hipetraka eo amin'ny rahona
Hamirapiratra fatratra hotronin'ny anjely
Sy feon-trômpetra no injay
Manaitra ireo izay mino Anao

Tsy andriko izany hiaraka Aminao Jesoa
Hitety an'io lanitra io
Ireo kintana holalovako, feno zava-baovao
Ho tsenain'ireo mponina ao, ka hiditra ao
Jerosaleman vaovao
Hitety ny ranomasina fitaratra manganohano

Oooooouh...... Miandry Anao aho Jesoa
Oooooouh...... Miandry Anao aho Jesoa

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...