Namana/Amis/Friends

vendredi 28 septembre 2012

Hody aho (Laurent Rakotomamonjy. GLR)

Cliquez ici pour voir la partition en solfa de ce morceau.


Vorona taitram-basy aho ry devoly ka tsy hijanona intsony
 Ka veloma mavesabesatra no apetrako ho anao
 Leon'ny mifotetaka amin'ny tany aho k'aleo mba hiakatra ambony
 Ary hiaina amin'ny fiainan-tsoa mamiratra sy vaovao

Rovitra voro-damba ve no sisa navelan'ny fahotana
Ho tinafin'ny tenako efa reraka sy mahia
Hatramin'ny masoko aza moa voarakotry ny haizin'ny fahajambana
Tsy nahita ny harato fandrika aho k'endrey dia nikodia

Hamantana tany foana toa havandra riirinina ianao satana
Raha toa mikasa ny mbola hiverina ato anatiko indray
Fa ny haizina be taloha ef voaroakan'ny taratry ny hazavana
Ahitako ilay lalan-tsara izay mankany amin'ny Ray

Aza hitsahinao re ny lambako ry ngahy losifera fa ny andro hariva
Tsy te hiherika anao intsony aho f'efa leo sady fay
F'efa injany fa re manako sy mikalo any ho any ny feon'antsiva
Hiantsoantso izay mbola tara rehetra hody amin'izay

Tsenao amin'ny indrafonao aho Razoky Jesoa f'efa tonga saina
Mba tolory ny Tananao aho, raiso aho fa vizana re
Mifaly aho raha toa ka raisinao no sady tsy maty fo aman'aina
Ohatr'izay aho efa voatono tany anaty afobe


Tsenao amin'ny indrafonao aho Razoky Jesoa f'efa tonga saina
Mba tolory ny Tananao aho, raiso aho fa vizana re
Mifaly aho raha toa ka raisinao no sady tsy maty fo aman'aina
Ohatr'izay aho efa voatono tany anaty afobe


Ouh, ouh, .....

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...