Namana/Amis/Friends

mercredi 29 février 2012

Raiso ho Anao ny foko 443

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jehovah Raiko ô!
Mitoera aty am-poko
Mba ho tompon-trano ao,
:,: O, ry Raiko! O, ry Raiko!
Mitoera ao izao :,:

2. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jesosy Tompo ô!
Tsy mba vola, fa ny foko,
No atolotro Anao:
:,: Raiso, Tompo! Raiso, Tompo!
Fa fanati-tsitrapo. :,:

3. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Fanahy Masina ô!
Hazavao ny ao am-poko,
Diovy ho tempolinao:
:,: Indro, raiso ! Indro, raiso !
Itokany ho Anao. :,:

4. Tsy arindriko ny foko,
Fa vohako ho Anao;
Ka midira aty am-poko,
Manjakà irery ao;
:,: Eny, Tompo! Eny, Tompo!
Raiso aho ho Anao. :,:
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...