Namana/Amis/Friends

mardi 28 février 2012

Ny lalana mody (Ossy)


A/C: Naly Rakotofiringa
Eny tiako loatra eny izany
Ny mandeha amin’ny làlana mody
Toa hitako sahady hatrany hatrany
Ny hafaliana rehefa tody
Miandry izao izay rehetra tiana
Ho tanteraka izao ny zava-niriana

Eny toa adino sahady
Ilay nialana saika nahatamana
Ho tsaroako ianao sy hanaovako voady
Ry ilay toerana, ry ilay tanàna
Tanàna tsy ho afaka an-tsaiko
Na oviana na oviana, ny hanadino tsy ho haiko

Midobodoboka sahady ny foko
Izay jereko rehetra toa miova loko
Ny masoko ve no mandroroa
Sa ahoana tokoa ?
Fa mitebitebim-pifaliana
Mampiova mahavariana ...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...