Namana/Amis/Friends

jeudi 16 février 2012

Mpivahiny nanjenjena aho(Fihirana482, Imprimerie Adventiste)


Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Mpivahiny najenjena aho
Tsy nahita ny lalan-kaleha
Efa reraka ka nitalaho
Soa ihany Jeso fa nandre

Ref
Fahasoavana, famindram-po
No hanaraka ahy amin'ny andro rehetra iainako

Fahasoavana, famindram-po
No hanaraka ahy amin'ny andro iainako tokoa

2. Nofenoiny ny herim-panahy
Novokisany hafaliam-po
Ny fiainako ka tsy manahy
Fa matoky ny Mpamonjiko

3. Raha mamaky ny lohasaha
Aloky nny fahafatesana aho
Tsy matahotra ny loza aho
Fa Jesosy eo anilako

4. Raha tonga 'lay andro malaza
Hisehoan'ny tompo tia
Dia ho faly ny foko hilaza
Fa tanteraka soa ny dia

1 commentaire:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...