Namana/Amis/Friends

mercredi 29 février 2012

Iriko e ry Jeso hitovy Aminao 472

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Iriko e, ry Jeso!
Hitovy aminao
lzay tsy manan-keloka,
Fa masina tokoa,
Iriko e, ry Jeso!
Ho tonga toa Anao,
Namonjy sy nanafaka
Fanahy, aina koa.

2. lriko, ry Mpamonjy!
Mba ho sakaizanao,
Hiaraka ory aminao
Ka tsy handao Anao;
Iriko, ry Mpamonjy!
Hanara-dia Anao;
Ny hazo fijaliana
Ho entiko izao.

3. lriko, ry Mpandresy!
Hiaraka aminao,
Ho eo an-toby lehibe,
Ho miaramilanao;
Iriko, ry Mpandresyl
Hanaraka Anao,
Mitondra ny fanevanao,
Handray ny herinao.

4. lriko, ry Mpanjaka!
Ho ao an-dapanao
Hiara-paly aminao,
Fa tonga zanakao;
lriko, ry Mpanjaka
Ho eo anilanao
Handray ny lova atolotrao,
Mpanjaka be fitia!
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...