Namana/Amis/Friends

mercredi 29 février 2012

Fanavaozana izay mahagaga tokoa 487

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Fanavaozan'izay mahagaga tokoa
Nomen'i Jeso ahy re,
Fahazavan'ny fanahy izay mahafa po
Nomen'i Jeso ahy re,

Fiv : :,:Hatramin'izao dia endrey :,:
Ny fitepon'ny foko izay ravo tokoa
Onenan'ny Tompo Jeso.

2. Ny fiainako be siasia taloha
Voaova mihitsy izao
Eny, ny fahotako, izay nahavoa
Voasasany koa izao.
Hatramin'izao, sns...

3. Ny finoako, ny fanantenako diabe,
Ny tokiko fatratra koa,
Ny fisalasalana dia levona re,
Ny saiko mandroso ho soa.
Hatramin'izao, sns...

4. Tonga mamirapiratra fatratra ery
Ny aloky ny faty re!
Ka dia tsinjoko ilay vavahady ary
Mankao an-tanan-dehibe.
Hatramin'izao, sns...

5. Tsy miato, mizotra mankany tokoa
Ny diako hatramin'izao
Hovantaniko any Ilay Tompo soa,
Jesosy malala no ao.
Hatramin'izao, sns...
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...