Namana/Amis/Friends

mercredi 29 février 2012

Endrey ny hamaroan'ny soa 537

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)

1. Endrey, ny hamaroan'ny soa
Nomenao Ray ho ahy koa!
Ny aiko, he, navotanao,
Ny heloko vonoinao.

Fiv : Eny, Raiko,
Eny fa! ravo tokoa
Ity zanakao voavonjy re,
Ka velombelona ery.

2. He, azoko tokoa jeso,
Ilay perla soa, madio sy vao;
Ny zava-tsoan'ny tany re
Dia tsy ahoako tokoa.
Eny, Raiko, sns...

3. Ny vavako dia tsy mahay
Hamisavisa izao ry Ray;
Ny fanomezan-dehibe
Dia tsy voatonoko koa.
Eny, Raiko, sns...

4. Ny foko no hidera izao,
Hisaotra sy hanaja Anao,
Hanoa, ho vonona hanao
Ny sitrakao rehetra.
Eny, Raiko, sns...
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...