Namana/Amis/Friends

jeudi 1 mars 2012

Amoron'ny mandrakizay (Rija Rasolondraibe)


N'iza n'iza ambavahoana...
Mangetaheta fianana mandrakizay
Nahoana no hiandry teren'ny fotoana
Vao hifoha, hiantsoantso ny Ray

Fahaizana, harena, diplôma
Tsy ahazahoana na tombon'andro iray
Nahoana no hiandry ny fasana manoloana
Vao hieritreritra ny mandrakizay

Ref :
Fiadanam-po, fantatro fa voavonjy ianao
Raha misy lasa izao dia izao
Mbola hihaona izaho sy ianao
Ho hitantsika toy ny masoandro mibaliaka
Ireo marina nanaiky ho hamarininao
Mahery fo, izany no tiany handraisany ahy
Fa niady ny ady tsarany nanamarika tantara
Aza manahy, zanakin'ny Ray aho
Fifaliana ny an-danitra ao raha ho avy ianao

Tanora mihevitra ho tompon'ny fotoana
Misôma amoron'ny mandrakizay
Tsy ampoizina satria vaovao ratsy foana
Tsy niomana nefa lasa poa toy izay

N'iza n'iza anie ambavahoana
Isan'andro ny famonjena omena anao
Ala-nenina ny ahy na dia lavinao foana
Tsy hoe tsy nahalala akory ianao

Ref :
Fiadanam-po, fantatro fa voavonjy ianao
Raha misy lasa izao dia izao,
Mbola hihaona izaho sy ianao
Ho hitantsika toy ny masoandro mibaliaka
Ireo marina nanaiky ho hamarininao
Mahery fo, izany no tiany handraisany ahy
Fa niady ny ady tsarany nanamarika tantara
Dia aza manahy, zanakin'ny Ray aho
Fifaliana ny an-danitra ao raha ho avy ianao
(2x)

1 commentaire:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...