Namana/Amis/Friends

mercredi 15 février 2012

Amboary aho Jeso(Fihirana 617, Imprimerie Adventiste)

Cliquez ici pour voir et télécharger la partition en solfa de ce morceau.

Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Amboary aho Jeso mba ho toa Anao
Indrindra fa ity foko ity Jeso ô
Mora fanahy sady be fitiavana
Tsara sy maha-te ho tia Jeso ô

Ref
Amboary Jeso ny fiainako
Ka feno ny fanahy ho tsara sy mendrika
Ny fisainana sy ny fiteniko
Enga anie Jeso mba ho toy ny Anao

2. Izao tenako izay feno ota izao
Indrindra fa ity foko ity Jeso ô
No atolotro mba hohavaozinao
Tsy hanala baraka Anao Jeso

3. Ampitoero amiko ny fitiavanao
Mba hitiavako ny fahavaloko Jeso
Ireo fomba ratsy zay niainako
Soloy re Jeso ô mba ho tena vao

3 commentaires:

  1. Enga anie mba ho tanteraka amintsika rehetra izay manao ity hira ity @ fo tokoa izao vavaka an-kira izao fa mino aho fa sitraky ny Tompo tokoa. Misaotra ny mpamorona sy ny mpizara🙏🏾🥰

    RépondreSupprimer
  2. Androany sabata le mai zahay manao ity hira ity eto Limoges

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...