Namana/Amis/Friends

mercredi 8 février 2012

Akohokely latsaka an-kady(Fihirana Katolika)




Akohokely latsaka an-kady aho, ô ry Tompo,
Hiantso, kely feo: hanidina, tapaka elatra
Tolory tanana aho ka vonjeo
Sao matin’ny vesa-pahotako
Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo amiko (2)


Tantely saraky ny ala aho, ry Kristy,
Eny an-tany ngazana nilaozam-boninkazo
Tolory tanana aho, ka vonjeo
Sao matin’ny ngidim-pahotako.
Kristy ô, Kristy ô, mamindrà fo amiko (2)


Tsiriry diso farihy aho, ry tompo,
Ety an-tany efitra, ny andro migaina
Tolory tanana aho, ka vonjeo
Sao matin’ny valim-pahotako
Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo amiko (2)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...