Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Tsara indrindra (Fihirana Advantista 112)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Tsara indrindra, eny re, tsy misy toa Anao
Hendry indrindra, feno hasoavana
Tia indrindra, nahafoy ny voninahitrao
Tonga tety ba ho faty ho anay

Ref:
Mandrakizay ry Jesoa ny voninahitrao
Ry Zanak'ondry mora zay maty ho anay
No hanandratanay izao ny fiandriananao lehibe
Ho mandrakizay

2. Avo indrindra ka tsy takatry ny saina
Mety indrindra zany fitondranao soa
Tiako indrindra ny matoky izany herinao
Ka manantena ny famindramponao

3. Mamy indrindra ny mitoetra akaikinao
Sahy indrindra ny manao izay sitrakao
Faly indrindra zany miandry ny hihavianao
Tsy ho ela intsony an-drahon-danitra

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...