Namana/Amis/Friends

dimanche 4 décembre 2011

Tamin'ny andro voalohany (Antema7)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.

:,: Tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro,
dia nankany amin'ny fasana izy,
nitondra zava-manitra izay efa namboariny.:,:

:,: Ary hitany fa indro ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.
Dia niditra izy, nefa tsy hitany ny fatin'i Jesosy Tompo.
Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy ireo,
indreo nisy roalahy niseho taminy, nitafy fitafianà manelatrelatra.:,:

:,: Ary nony natahotra izy ka niankohoka,
dia hoy izy roalahy taminy.
Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
Tsy ato Izy fa efa nitsangana;
tsarovy ny teny izay nataony taminareo,
fony lzy mbola tany Galilia hoe: :,:

Ny Zanakolona tsy maintsy hatolotra
eo an-tànan'ny mpanota ki hohomboana
amin'ny hazo fijaliana, ary, ary, hitsangana,
hitsangana amin'ny andro fahatelo.:,:

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...