Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Soa ihany (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

Feno ditra itony fiainako taloha
Nilomanosako avokoa 'reo zava-mora lo
Nisarika ahy, nambambo ahy
Ny herin'ny fakam-panahy
Ankehitriny, soa ihany voaovanao

Efa be dia be ny diso tamin'ny lalako
Niniako  ireny satria irey an-tany tsisy mpijery
Tsisy mpanoro hanorotoro ny tokony atao
Ankehitriny, soa ihany voaovanao


Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Ianao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa

Fitiavan-tena, fitaka, fiheremana
Fitokian-tsampy, avonavona, fialonana
Toetra manoto ny manodidina
Toetra tia mamono olona
Ankehitriny, soa ihany voaovanao
 
Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Ianao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Ianao
Soa ihany fa avotrao aho

Misaotra Tompo, soa ihany fa dia teo Ianao
Ny indrafonao, soa ihany fa natobakao
Mazava izao ny lalako ho ao,
Matoky, tsy mampanahy
Satria Ianao, soa ihany nitantana ahy


Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Ianao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Ianao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Ianao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...