Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Ry Tompo ô! tahio ny tanindrazanay(Fihirana Advantista 747)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Ry tompo ô! tariho ny tanindrazanay
Ny sainy atodiho a tena tianay
Hanaiky ny mazava omen'ny Teninao
Ka tsy hisalasala hanara-dia Anao
Tantano re ry Tompo hanao ny sitrakao
Ho vonona hanompo handray ny hafatrao
Ny didinao rehetra nomenao fahizay
No aoka mba ho fetra ho tanterahina

2. Ry Tompo ô! vimbino ny tanindrazanay
Arovy sy tsimbino mba hiadananay
Omeo saina hendry ireo mpitondra anay
Hahaizanay mikendry zay hahasoa anay
Raha sendra ka variana tsy mahatsiaro Anao
Fohazo mba ho liana handray ny hevitrao
Ny sitrakao rehetra no tena sitrakay
Fa io io no tarigetra zay hotratrarinay

3. Ry Tomponay malala, ry vonivatonay
Tariho lalandava ny tanindrazanay
Ny herinao rehetra ny voninahitrao
No aoka mba hitoetra ho tazanay izao
Irinay Tompo tsara hohamasininao
Handraisanay anjara ho eo anilanao
Vonjeo ny Malagasy ho olonao tokoa
Ka tsy hilasilasy hanaraka ny soa

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...