Namana/Amis/Friends

jeudi 22 décembre 2011

Noelin'ny kamboty (Ny Nanahary)



Ny noelinay ry zareo
Ao an-trano bongo mangingina
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza
Tanin’afo dia izay
Rom-patsa miaro sakay e
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky
Tomany fa kamboty


Mahatsiaro ireo andro fahiny mbola nisy an’Ikaky hitosiana
’Zao anefa tsy afaka ho aiza fa nilaozan’ny reny nitaiza
Gadon-kira atopan’ny alina no sisa mandrotsy ombieny

Feom-baliha tinerin’ny sento no miritsoka mamelovelo
Singanin’ny feon-dakolosy izay manaitra indray ny alahelo
Hany hery ny fo ngolingoly manokatra ny Baiboly

Raha mahita anay tsy miteny dia mandroaka mena masoandro
Nefa kosa mba tsarovy ihany fa kodiarana anie izany tany
Raha anio izahay no tomany, ampitso mbola hifaly

Ny noelinay ry zareo
Ao an-trano bongo mangingina
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza
Tanin’afo dia izay
Rom-patsa miaro sakay e
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky
Tomany fa kamboty(2)

1 commentaire:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...