Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Misy kalo (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

Misy kalo misidintsidina any, mitarika sento sy tomany.
Misy tsioka malefaka hiaingany, vetsovetso tsisy namaly.
Dia nindramiko ny hariva efa tolaka iny, hiaraka aminy any aho.

Misy loko natsidiky ny avana, namaky habakabaka fa tsy hay.
Misy loko natsidiky ny avana, saika mba hankany anie aho nidifiany.
Dia nindramiko ny rahona efa dotran’ny masoandro, hiaraka aminy aho.

Misy teny manidina dia lasa, tokony ho tadidy tsy tsaroana.
Misy teny voateny tsy kinasa, tokony ho adino fa tavela ô
Dia nindramiko ny rivotra handingana ny fefy, hiaraka aminy aho.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...