Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Masoandro mody (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

Masoandro mody efa leon'ny tontolo
Raha goaika mody ho’aho leon'ny tanim-boanjo
Zaho anie raha mody maika hamonjy ny akany
Fa ny any ho aho tsy mampandry saina (x2)

Io hariva mena masoandro io
No manainga ny vetso mankany
Io rivotra mitsoka mafy io
No mampita ny antsoantson'ny any (x2)

Tantely sy ronono tsy afohizako ny any
Iray donakafo, iray hafanana
Iriako ny aty tsy ho ambakan’izany
Fa ny ampitso e, no hiraisantsika
Dia ny ampitso ho’aho, no hiombonantsika

Ny alina maizina hody mazava
Alao hery akia ho’aho dia hisava
Ny lalako lavitra ho maivana ihany
Alao hery akia ho’aho hidify any (x2)

Ny rano sy ny vary hono tsy mifanary
Voahirana an-kamory tsy hisarak’intsony
Ny akanga iray ihany, tsy ho vakin’amboa
Fa ny antsika e, ho mafy toa izao (x2)

Ny alina maizina hody mazava
Alao hery akia ho’aho dia hisava
Ny lalako lavitra ho maivana ihany
Alao hery akia ho’aho hidify any (x2)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...