Namana/Amis/Friends

lundi 12 décembre 2011

Injany fa miantso ahy(Fihirana katolika)




Fiv:
Injay fa miantso ahy, ny feon'ny Fitiavana
Manohina ny fiainako, ka tsy azoko andosirana
Mahery vaika mantsy ka tsy azoko ampanginina 
Ary tsy azoko andosirana
Ilay feon'ny Fitiavana naniraka ny zanany
Ho fiainana arahina
Raisiko ny anjarako, hizorako ny lalako Raisiko ny anjarako, hizorako ny lalako

1- Mba tsofy rano tsara re ry Dada sy ry Neny

'ty zanaka hiainga mba hanefa ireo adidy
Fa any ho any kosa hahatsiaro anareo aho,
Handefa tonom-bavaka
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e
fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano aho
Hanambina ny diako 
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e
fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano aho
Hanambina ny diako

2- Mba tsofy rano tsara re ry zoky sy ry zandry

'ty havana hiainga mba hiatrika ny adidy
Any ho any kosa hahatsiaro anareo aho,
Handefa tonom-bavaka
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e
Fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano
Hanambina ny diako  
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e
fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano aho
Hanambina ny diako

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...