Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Indray hariva izay(Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

Indray hariva izay
Sento sisa nenti-nody
Nialoha lalàna ahy
Hamonjy ny fodiana
Eny(2) mamy raha hitohy
Niriako tsy hifankafoy ô!
Izay alehanao, alehako avokoa ry lahy!
Raha lavitra ahy ianao
Izato dia tsy veriko irery ô!ô!
Azo foana an’eritreritra
Ireo ora niarahana
Mitamberina ao an-tsaiko
Ireo(2) teny nisarahana

Tsy tafandry ny alin’iny
Nitanisanisa ireo fahiny
Na rotsim-pifaliana
Na ady nifandirana
Toa tahirim-bolamena
Moa ho vasoka rahoviana
No nandraisako ny herim-pitiavana
Ankehitriny moa
Indro izaho irery no hanarina
Ka hanohy ity tantara
Hiandrandra izay mahasoa
Ny fahatsiarovana anao anie
Hody hery hampionona ahy indray

Indray hariva izay
Sento sisa nenti-nody
Nialoha lalàna ahy nilaozan’olon-tiana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...