Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Hafaliam-be(Fihirana advantista 132)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Hafaliam-be, he, hosana re
Hoby sy fisaorana
No asandratray ry Mpanavotray
Zanak'Andriamanitra
Tsapanao 'zao ny fitiavanao
Tena zava-dehibe tokoa
Fa nanetry tena ho olona
Nefa Andriamanitra

2. Reo anjely koa, gaga aokoa
Noho ny fitiavanao
Fa nilaozanao ny toeranao
Seza fiandrianana
Tianay 'zao mba handeha hankao
Betlehema, hiankohoka
Anoloanao ry Mpamonjy soa
Fa navotanao tokoa

3. Fa mba inona no aterinay
Ho fanati-tsitrapo?
Miendrika ho Anao ry Mpanjakanay
Tena Adriamanitra
Moa vola sy harena ve?
No ilainao hanajana Anao?
Tsia, fa ny fo sy fiaiananay
Ho Anao tokoa . Amen

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...