Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Fitiavana mandrakizay, fitiavan-dehibe(Fihirana Advantista 350)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.


 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1 Fitiavana mandrakizay
Fitiavan-dehibe
No nitiavako anao
Ka moa tsy fantatrao ve?
Mpanota ô, heveronao
Fa very ianao
Nandao ny lala-marina
Lasa nivarina

2. Efa ela no nandavanao
Ny antsoko izao
Moa mbola tsy ahoanao
Tsy mampiraika anao?
Ny aiko no nomeko re
Hanavotra anao
He famonjena lehibe
Atolotra anao

3. Mpamonjy ô, he, fantatro
Ny fitiavanao
Indrisy meloka aho re
Tsy mendrika hovonjenao
Ekeko izao ny antsonao
Tsy laviko tokoa
Diovy re ny zanakao
Amin'ny ranao soa

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...

Suivi des nouveaux articles par mail