Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Fanoloran-tena(Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

 Nandany fahazazana teny aho ;
Nandany hatanorana teny aho;
Nankamamy ity fiainana aho,
Nifaly sy nilalao;
Ny anaranao ry Raiko, no tsy mba fiantsoko;
Anio aho te-hanandrana ny hiaraka Aminao.

Vizana aho miandrandra vintana
Vizana aho mitady izany harena
Vizana aho miandrandra famonjena
Fa zava-poana ihany, ny  herim-poko lany;
Tsy azo izay niriana, izaho  nanantena fifaliana.

Hianao no faniriako,"inty aho"
Hianao no fifaliako, "inty aho"
Hianao no fanovozana ny soa
Fitiavana ô, tsy manam-paharoa;
Sambatra izay mahita  Ilay Fitia tsy mety ritra;
Arovinao ny dia ho ao Aminao mandrakizay(2)

1 commentaire:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...