Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Efa mandroso izao (Fihirana Advantista 309)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

H.L.308/J. Rabarijoël
 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Efa mandroso izao ny fitsarana
'Zay andinihana ny toetranao
Aoka ny zavatra izay nandrarana
Samy havela sy hilaozanao
Ny didy masina nomen'ny Tompo
Tandremo tsara fa fiainanao

2. Ny fahalemena maro zay tsy resy
Manimba ny toe-panahinao
Ny fahalavoana misesisesy
Misakana ny hamasinanao
Ka angataho mba hovan'ny Tompo
Ndrao hahavery ny fanahinao

3. Ampandrosoy Jesoa ho ao am-ponao
Hitarika hatrizao ny dianao
Ny heryny no tena mba ilainao
Hanosika ilay fahavalonao
Ka angatahonao re ny fanahy
Hanjaka amin'ny toetranao

4. Ry Jesoa tia ô, Mpisolovava
Tsy mafina Aminaony otako
Meteza Ianao hampisava
Ny zavatra izay atahorako
Aoka ny sandrinao mahery indrindra
No iankinan'ny fanahiko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...