Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Aiza izy izay? (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

 Aiza izy izay no tsy hita eto intsony
Lasa lavitra angaha
Tsy tazako eto intsony
Ny ahitra ao andrefan-tanàna any a
Niarahanay nanala
Ny rindrina lelafin’ny orana
Tsy haharitra ny taona

Fiv: ô ô ô modia modia
       F’efa hariva anie izany andro
       ô ô ô modia modia
       Miandry anie ny ao an-tanàna

Aiza izy izay no tsy hita eto intsony
Lasa lavitra angaha
Tsy tazako eto intsony
Ny varavarankely ery ambony
Miempaka toa hiala
Ny orana mandady ny rindrina
Mamaritra tomany

Fiv:

Aiza izy izay no tsy hita eto intsony
Lasa lavitra angaha
Tsy tazako eto intsony
Ery an-dohasaha lonaka aho
Mba lasa saina ihany
Manjohy miakatr’ iny havoana iny aho e
Tsy hita izay hantsoina

Fiv:

Aiza izy izay no tsy hita eto intsony

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...