Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Akaiky loharano (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

Any misy tokantrano iray
Mahantra feno aizina ny fiainany
Mamboly voninkazo an-tay karankaina
Mamoy fo, ketraka sy lo

Ny masonao hitsinjo am-pitiavana
Ho jiro sy hanafana ny tranony
Ny tananao hitondra voninkazo iray
Porofo fa akaiky loharano ianao

Toy ny voninkazo nambolena teo
An-tany karankaraina tena mahamay
Ny fiainana tsy manana an'i Jesoa
Loharano mahavelona

Atao ahoana raha tsy handalo ianao
 Ho faty ireo, tsy hisy hahajanona
 Ny toetranao no hitadiavany an'i Jesoa
 Loharano mamelon'olona maro

Ny masonao mitsinjo am-pitiavana
Ho jiro sy hanafana ny tranony
Ny tananao hitondra voninkazo iray
Porofo fa akaiky loharano ianao

Ny tananao hitondra voninkazo iray
Porofo fa akaiky loharano ianao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...