Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay 734(Hobio3)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Hobio3(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
G. Ramiarison

1. Zanahary ô tahio
Ny tanindrazanay,
Handroso lalandava,
Handry fahizay.
Enga anie hanjaka ao
Ny saina mahay miray,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay.

2. Ireo mpitondra anay
Arovy lalandava koa,
Tolory saina hendry,
Kinga sy mahay
Ka ny marina anie
No mba hanjaka ao tokoa,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay.

3. Ny taranakay tahio
Ho vanona tokoa:
Ireo no solofo,
Dimby rahatrizay.
Mba ho tena mahatoky,
Feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).  

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...