Namana/Amis/Friends

mercredi 30 novembre 2011

Voasary lalao (Barijaona, O'Suzah)



Handao anao ny tenako
Kanefa kosa ny saiko any aminao
Ny tany ilay fonenako
Niarahana ry aiko
Raha jerena malok'ila,satria...

Ny tafa nifanaovana,ny saha nilalaovana
Voasary lalao

Tanisa isan-droa fangalapiery
Mamisavisa fon'olon-drery
Raha bokan-tsongotsongo ,ady kely
Tandindon'ny fitia mieriery.

Raha sendra mamololona
Ny tsiahy zary tolona
Ao antsaina ao
Dia ankipio ny masonao
Ka banjino an'eritreritra
Ilay fahazaza,satria...


Ny tafa nifanaovana,ny saha nilalaovana
Voasary lalao

Tanisa isan-droa fangalapiery
Mamisavisa fon'olon-drery
Raha bokan-tsongotsongo ,ady kely
Tandindon'ny fitia mieriery.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...