Namana/Amis/Friends

mercredi 16 novembre 2011

Veloma namako (Jérôme Randria, Ny Railovy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.


Rahampitso vao maraina dia handao izany lasy
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie
Aza arahina alahelo aho, aza arahina tomany
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie

Satriko aza namako ô, mbola hiaraka hiriaria
Nefa indrisy namako ô, misampana ny dia
Ity ny dimy mba fihino, fa ny lasa aza hadino
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie

Raha miherina ny taona, manantena aho ny mbola hihaona
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie
Rehefa hariva toy izao ka mahatsiaro ahy hianareo
Miaraha manandra-peo, kaloy izao hirako izao
La - la - la - la .......
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie

Raha maty an-dàlana any aho
Andefaso voninkazo
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie
Rehefa hariva toy izao ka mahatsiaro ahy hianareo
Miaraha manandra-peo, kaloy izao hirako izao
La - la - la - la .......
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...