Namana/Amis/Friends

mercredi 16 novembre 2011

Tao anaty fahanginana, manirery(Jérôme Randria)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.


Tao anaty fahanginana
No nihirako ho anao
Ireo hirahira sy ny kalokalo
    Tsara indrindra.
Tao anaty fahanginana
    no nahatsapako
Ny akon'ny fitiavako
            Tia anao
Mirehitra, tsy mety maty
Ao am-po .. ho anao

    Toy ny sambokely
An-dranomasina mangeniheny
    Tsy matahotra onja,
       na manahy...
      Sao dia ho very eny
       Manantena ihany
   Ny ho tody hatrany
      Hahita seranana
Toy izany no vetsovetsom-poko
    Singany ety, ho anao.

Na dia manirery aza aho
    Ry sombinaiko
Tsy miova akory ny fitia
      Zay nolalaiko
Na ho aingana, na ho ela izany
Eny tia anao, eny tia ...ka...

Raha toa manembona ianao
Ka mahatsiarotsiaro
Ireo dinantsika, ireo fitia
Ireo tsiambaratelo maro
          dia izany no
vao maika hamelona hatrany
    ny afon'ny fititavako
             tia anao
Mirehitra tsy mety maty
Ao am-po ... ho anao ... ho anao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...