Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Misy maro ao an-tsaha mitaraina 310(Hobio3)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Hobio3(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
FJ. Crosby

1. Misy maro ao an-tsaha mitaraina,
Ka ento ny Jiro mba hankao,
Tsy mba misy antoandro na maraina,
Fa maizina re ny ao;
Indro olo-maro be
No maniry mafy hoe:
Mba midina mankaty,
Itondray Baiboly re
Izy ireo fa ta-handre
An'i Kristy Tompo soa.

Fiv : "Mandehana", hoy ny Tompo, "mandehana
Ho amin'izao tontolo izao".
Mitsangàna ary, eny, mitsangàna
Fa izy no homba anao.

2. Mandehana mba hitarika ny jamba,
Mba ampifalio ny ory fo;
Ny mahantra ilazao fa misy lamba
Tsy miova, tsy mety lo;
Jeso Mofon'aina soa,
Sady Ranon'aina koa,
Asehoy ho hitany,
Tena Andriamanitra,
Tompo tao an-danitra,
Ambarao ho fantany:
"Mandehana", sns...

3. Mandehana hanatanjaka ny osa,
Omeo toky re ny ketraka;
Ny anjaranao, ataovy ho tontosa,
Ka aza dia reraka,
Mandehana hianao,
Ka vitao ny asanao,
Fa ny tambinao ary,
Mbola any ihany re
ny handraisan-tamby be,
Dia rehefa tsy ety;
"Mandehana", sns...



Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...