Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Izay mahakolokolo no manana ny soa 787(Hobio hiran'ny ankizy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio hiran'ny ankizy(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Andrianaivoravelona
1. Izay mahakolokolo
No manana ny soa,
Zahao ny tanimboly,
Izay fatratra tokoa,
Fa he ireo voninkazo
Mamerovero ao,
Toa nofy izay handazo
Andeha mba jereo.

2. lreo izay mahavatra
Handray ny voka-tsoa,
Ka tena tsy hahantra,
Tsy reraka tokoa;
Jereo ireo taninketsa
Mampanantena voa,
Fa soa tsy manam-petra
Sy hanim-be tokoa.

3. Izahay, ry ray sy reny,
No voninkazo koa,
Hamerovero any
An-tokatrano soa,
Tezao mba hihatsara.
Ny fofo-manitray,
Mba tsy harahin-tsento
Ny toetra anananay.

4. Izahay no toy ny ketsa
Ho vanona tokoa,
Hamoa tsy misy fetra,
Sy tena hahasoa.
Ny fiangonantsika,
Hahita valiny,
Ny fivavahantsika
Handroso hery koa.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...