Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Izaho dia zaza malemy, osa fo 801(Hobio hirran'ny ankizy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio hiran'ny ankizy(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Ramarosandratana
1. Izaho dia zaza
Malemy, osa fo,
Fa na izany aza,
Mba ondrin'i Jeso.

2. Ary an-danitra Izy
Mitsinjo ahy koa,
Satria ny ankizy
Dia tiany tokoa.

3. Anefa koa akaiky
Jesosy mamiko,
Fa Izy dia manaiky
Ho eto amiko.

4. Manafa-tahotra ahy
Ny tsorakazony,
Manaisotra ahiahy
Ny fitiavany.

5. lzao tsy mbola hita
Ny endrik'Izy izay,
Fa raha ary am-pita
Ho tafahaona indray.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...