Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Indro, Jeso mba vohay 44(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le liste des chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. B. Atchinson
1. Indro Jeso, mba vohay;
Mba vohay !
Avy ho sakaizanay
Ka vohay !
Lay Malala fahizay
Sady sitraky ny Ray,
Tonga ho anao indray,
Ka vohay !

2. Indro Jeso, mba vohay;
Mba vohay !
Tompo tia ka mba hajao;
Mba vohay !
Honina aminao ety,
Ho sakaiza hatrery,
Ho anao mandrakizay;
Ka vohay !

3. Indro Jeso, mba vohay;
Mba vohay !
Mbola tia ka mba vohay
Ka vohay !
Tena tia ka tsy mandao,
Raha ela sao dia lao;
Moa holavinao izao ?
Mba vohay !

4. Eo am-baravaranao;
Mba vohay !
Tsy manao an-ditra izao;
Ka vohay !
He ! Mandàna mora re,
Na dia Tompo lehibe,
Efa niandry ela be;
Ka vohay !


Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...