Namana/Amis/Friends

mercredi 16 novembre 2011

Ilazako dada sy neny(Jérôme Randria, Ny Railovy)


Ny foko tia, tia ho doria,
Vonona ho anao
Hiara-dia, hiombom-pitia aminao

Ka n'inoninona hidona
Anilanao ny ny fo mifangia
Ka n'inoninona hihatra
Ho tia anao, ho anao doria

Dia hilazako dada sy neny
Amin'zao dinik'izao
Nefa atao ahoana no fiteny
'zao faniriantsik'izao.

 Bodo, mba hivavaho
 Ho tanteraka anie
'zao faniriantsika izao
Ffa lalan-tsarotra, eny mantsy no aleha

Neny niteny fa hoe:
Ny fitia tsy lalao
 Ka hisangina
Amin'izao fianinana izao
Fa rehefa tia ao am-po
Dia tiana dia tiana tokoa.
Misoratra, misarom-boaly,
'zay vao miara-droa

Dia hilazako...sns

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...