Namana/Amis/Friends

mercredi 16 novembre 2011

Ho haiko ve?(Jérôme Randria)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.

Ho haiko ve?
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanadino anao?
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nampoiziko mihitsy ny hifampitantana aminao
Tsy noheveriko fa misy fitiavana efa anjaranao

Ho haiko ve?
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanao veloma anao?
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nosainiko mihitsy ny hisaraka aminao
Eny hay va re ka misy, misy fetra taminao

Jembin-dranomaso aho nahita anao
Nahita anao sy iny olona iny teo anilanao
Saika hitraotra hiantsoantso hoe "tsy rariny"
Nefa tsapako fa hadalàna no ho valiny


Ho haiko ve?
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanadino anao?
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nampoiziko mihitsy ny hifampitantana aminao
Eny hay va re ka misy, misy fetra taminao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...