Namana/Amis/Friends

mardi 15 novembre 2011

Hasambarana(Jérôme Randria, Ny Railovy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.


Atao ahoana moa
Ahoana tokoa
Ny filaza aminao
Ny hasambarana
Miaina ao anatiko ao

Ahoana moa ny fiteny
Raha izao rehetra izao
No zava-poana
Raha tsy eo anilanao

Foiko
tsy tsaroako akory
Ny amiko rehetra rehetra
Ny amiko, ny taniko, ny kilalao

'Zay rehetra sitrakao lazao
Ho tanterahiko avokoa
Sambatra aho, eny sambatra
Mitoetra eo anilanao

Ampy ve ny fiteny
Hikazako ny fitiavako
Raha izao tontolo izao, ry aiko
Foiko noho ianao.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...