Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Feom-baliha fararano(Jérôme Randria)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.

Raha lazaina aloha
Hafa ny amiko
Indray Asabotsy hariva izay tao an-trano

Izaho irery moa
Sorena be tokoa
Varivarian'alahelo toa ny mamo

Teo am-parafara
Teo ny valiha,
Sarinao, penina sy taratasy

Te hanoratra aho
Te hihira koa
Nifangaro anefa ireny tao am-po

Tsy tsaroako akory
Renoka aho natory
Nanonofy toa nahita anao hatrany

Nifoha avy teo
Hay nisy feo
Vetsovetso mba voasoratro ihany

Teny ankiroa efa fantatrao
Nosoratako tamin'ny sarinao
Teny kely ihany
Kely nefa mamy
Mifono hasambarana tsy lany

Teny tena mamy
Toa ny loharano
Mihirotsaka fitia manganohano
Toa feom-baliha fararano

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...