Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Endrika sariaka 430(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le liste de chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)Rajerimanana
1. Endrika sariaka no
Anompoako Anao,
Jehovah Ray
Fa tapaka ny hevitro :
Izaho dia olonao mandrakizay.
He ny foko afa-jaly
Tena ravo, sady falifaly,

Fiv : Ka endrika sariaka no
Anompoako Anao Jehovah Ray.

2. Fa tsaroan’izany saiko,
Mandra-maty ho tadidiko,
Ny nanavotanao ny aiko,
Ilay fanahy sarobidiko.
Fa nomena fahendrena
Izay ekena fany famonjena,
Ka endrika sariaka sns...

3. Be ny zavatra mihatra
Mampahory sy mandrerapo ;
Kanefa ireny tsy handratra
Ny arovanao, ry Ilay tsitoha
Fa ny fony tena tony
Tsy mba kivy, tsy mba taitra intsony
Ka endrika sariaka sns...

4. Misy ve ny mampanahy
Sy ny zava-manahirana ?
He, tsy kivy ny fanahy
Fa hijoro, ka ho mirana.
Fa Jehovah, ray mahery
Miandany sady koa mijery
Ka endrika sariaka sns...

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...