Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Efa namangy ny olony 133(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le liste des chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés) N.F.S. Grundtvig
1. Efa namangy ny olony
Jeso Izay Tompon'ny aina.
Lasa ny alina maizina,
:,: Tonga indray ny maraina.:,:

2. Maty ny Tompo, nalevina,
Nidina nita ny ony,
Nefa nitsangana velona,
:,: Koa tsy maty intsony :,:

3. Ory ny fon'ny sakaizany,
Aiza Ilay nantenaina?
Hitany nefa tsy fantany,
:,: Jeso, Izay Tompon'ny aina :,:

4. Teniny tsy mba mivadika
Amin'ny olony ory,
Tonga ny Tompo nitsidika
:, Ireo mpianany vory :,:

5. Tonga ny taom-pamangiana,
Tondraka ny famonjena,
Velona ny fihobiana,
:,: Aina vaovao no nomena :,:

6. Teraka ny fifaliana,
Tonga ny Filazantsara,
Andron'ny fitomaniana
:,: Mody ho Pasaka tsara :,:

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...