Namana/Amis/Friends

mercredi 23 novembre 2011

Analakely (Odéam Rakoto)

Cliquez ici pour écouter d'autres chants de Odéam Rakoto.

Ha ha ha...
Analakely, Analakely lazaiko anao

Fiv:
Analakely ry lahy e, Analakely, Anjomà
Tsena isan'andro, isan'andro
Maresaka dia maha-te hizaha

 Ny mpiantsena dia maro dia maro
Ary ny vokatra koa mifangaro
Na ny lamba na hena eny an-tsena
Sahaza ny olon-drehetra ô

Fiv

Etsy madama ô, avia
Tsy mamitaka anao sanatria
Ny vidiny fantatra ihany
Fa ny tsara dia lafo avy hatrany

Fiv

Ny trano vaventy jereo
Miandry hidiranareo
Manintona anao hisafidy
Sarotra atao mora vidy

Fiv

Ny haninkotrana tsy mety lany
Jereo fa miladina an-tany
Ny atodin'ny akoho amam-borona
Mitandahatra mana-morona ô

Fiv

Ny mpiantsena rehefa Zoma
Toa mila hifanao ba
Mifanesika tsy hita intsony
Nefa tsy manao akory

Fiv

Etsy kely ary aloha azafady
Na ny tokana na manambady
Fa ny tsena aty Analakely
Tsy hamantarana madimôzely

Fiv

Reo trano mieva fahiny
Zary pavillon ankehitriny
Raha ireo no dia tsy mahatanty
Dia miala manova patanty

Fiv

Rehefa Zoma hita tsara
Mivalampatra devant-n'ny gara
Ny asa-tanan'ilay Gasikara
Fanaka sy farafara

Madama, madama...
Tsena Analakely Anjoma
Fiv

Ny vola...  ny vola zalahy
Rehefa hiantsena Zoma
Fa Analakely eny mantsy
Ka misaotra an'izay kely vatsy

Fiv

Zany no Analakely
Analakely ivorian'ny vorona
Analakely itangoronan'y olona

Analakely

3 commentaires:

  1. Mankasitraka indrindra e!Hira mampatsiahy ahy ny fahazazako ,nanakoako tao @ Radio -pirenena malagasy .

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra amin'ny fankasitrahana tompoko. Ankafizo ary!

      Supprimer
  2. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...