Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Aina no fetra 298 (Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)-/R. Saillens

1. Aina no fetra ry Tompo Mpanjaka,
Aina no fetra anarahana anao,
Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka,
Ny fanompoana tsy maintsy atao.

Fiv : Indreto izahay, hilanja faneva,
Ilay hazo izay nanavotana anay;
An-tsitrapo no anoloranay tena,
Ka tano mba ho Anao izahay.

2. Aina no fetra ho enti-manoa
Ilay Zanak'ondry nisolo anay;
Fandavan-tena sy fanaovan-tsoa
No fianarana atolotra anay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns...

3. Aina no fetra, ry Tompo malala!
Aina no fetran'ny fitiavanay;
Ka sanatria izay handao na hiala;
Mandrakizay, ho Anao izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns...

4. Aina no fetra, ny nofo anefa
Mora mirona ho lavo indray,
Ka manampia, ry Mpandresy mahefa!
O! mba tantano, hazony izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns...

5. Aina no fetra, ka ampio, ry Fanahy!
Aina no fetra, vonjeo e, ry Ray!
Aina no fetra, izahay re no sahy;
Aina no fetra, handresy izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns...

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...